<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>18</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ny feonay rehetra izao
 Dia entinay midera Anao,
 Ry Andriananaharinay !
 Na ambany aza izahay,
 // Dia tianao //
 Ry Andriananaharinay !

[V2]
 Ny andronay rehetra izao
 Dia entinay manoa Anao,
 Ry Tompo sy Mpanjakanay !
 Satria izao dia fantatray
 // Fa tianao //
 Ry Tompo sy Mpanjakanay !

[V3]
 Ny hevitray rehetra izao
 Dia enti-mankalaza Anao,
 Ry Tompo Mpanasoa anay !
 Mpitahy ny fanahinay,
 // Fa tianao //
 Ry Tompo Mpanasoa anay !

[V4]
 Ny herinay rehetra izao
 Dia iasanay ho Anao,
 Ry Aronay sy Tanjakay !
 Miezaka tokoa izahay,
 // Fa tianao //
 Ry Aronay sy Tanjakay !

[V5]
 Rehefa alainao izahay,
 Ka tapitra ny andronay,
 Hamantana any Aminao
 Izahay arý an-danitrao,
 // Fa tianao //
 Hamantana any Aminao.</lyrics>
<title>Ny feonay rehetra izao FFPM18</title>
<author>G.C. Stebbins</author>
</song>